Ampy Izay

[intro ~outro]

Tsy nety taminao ve ny hatsarako

Tsy nety taminao ve lay fitafiako

Nataoko ihany izay hampifaliana anao

Fa zavatra hafa indray no nanintona anao



[verse 1]

Indraindray toa manontany tena ihany

Mba inona ary no nitiavako azy iny?

Lasa adala aho ve sa ny saina no very?

Toa tsy haiko tsy haiko tsy haiko!



Lany fotoana eto aho hieritreritr’azy

Izy efa an’olon-kafa izay ny fony

Ny tena moa tia ka atao ahoana fa marary

Ampy izay ampy izay ampy izay



[Refrain]

Fa ny aminao iny e

Ho ariako toy ny fako

Anaty antsana ianao iny e

Fa Ny aminao iny e

Raha mbola iverina aho angamba

Tsy hisy instony iny e



Fa aok’izay ny tomany

Raha ny aminao angamba Tsy ataoko intsony

Fa avelako ianao Hitomany

Amin'reo nenina ho tsapanao indray andro any



[verse 2]

Mba Tia anao ve izy

Mba hainy ve ny mihaino anao

Mba mihomehy ve izy

Mijery ireo adalanao

Mba matanty ve izy

Maheno ireo ditranao

Mba mijanona ve izy

Rehefa tsy mety ny ataonao



Mba Tia anao ve izy

Mba hainy ve ny mihaino anao

Mba mihomehy ve izy

Mijery ireo adalanao



Saino ihany



[refrain] + [outro]